4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dadako - Mdjette

Tena miadana aho ry dada

Sambatra eo anilanao

Lavitry ny fahoriana rakofan’ny fitiavanao

Tsaroako mamy ny mangidy

Amin’izao fotoana izao

Satria tontosanao ny adidy

Hany ka finaritra aho



   Dada malalako

   Mamin’ny fiainako

   Ankatoaviko lalaiko

   Ny hanadino anao tsy haiko



Raha tafasaraka aho

Tafasaraka aminao

Alahelo tsy hay zakaina mitambesatra ao an-tsaina

Ka ny azonay atao

Dia mivavaka ho anao

Sy hanolo-pahendrena

Eny, fitia tsy hay resena



Fiverenana




Partager dadako

Commenter dadako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mdjette