4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bakobakoro - Solika

Jereo kely, jereo ange ireto voromailala

Dia ireo modely izay tokony tahafin'ny mana-malala,

Ny azy ireny dia hajainy tokoa ny fitia

Azo toky fady izay mba hania



Fa mandra-maty tsy mety lefy ilay fitia mitafotafo

Fa isanandro indreo mihaina rotsirotsy sy safosafo

Tsy omby in-jato isan'ora ny feony no re

Re tsy miato mamerimberina hoe:



"Bakobakoro", ry tokan'ny fo

Ry mamiko indrindra tsy hay ovana na afindra

Anao rahavako itony fitiavako

Ny fo sy ny saiko, ny tenako anao ka hanjakao



"Bakobakoro",  ry tiako tokoa

Ny hiova fitia amintsika dia atao sanatria

Raha mbola mitempo ny fo,

Na inona loza manjo,

Ry tiany tsy roa, bakobakoro.

Partager bakobakoro

Commenter bakobakoro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solika