4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry aho - Ambondrona

Niantso aho, nitady anao
niherika nitoditodika
fa maizina hody amin'iza nifandimby olona marobe
Nikaroka an'aiza aho nefa lasa ianao
niandry koa nampitony ny fo
Sao mba izaho no tonga aloha

Refrain
Saika hitsena aho mba nanantena aho
hoe ianao efa eo niandry aho
Efa Fantatro aloha,fa tsampanao ihany koa
Na amin'ny firy na amin'ny firy miandry aho


nipetraka aho nitraka kely
ny olana aza amoa nitady amely
naveriko niantso
Tsy nisy valiny velively
taitra aho sao tsy teo ianao
nanontany tena aho
niandy koa sao tsy tony ny fo
kay olon-kafa indray no tonga aloha


Refrain
Saika hitsena aho mba nanantena aho
hoe ianao efa eo niandry aho
Efa Fantatro aloha,fa tsampanao ihany koa
Na amin'ny firy na amin'ny firy miandry aho


MBA AHITSIHO RAHA MISY DISO FA SOMARY MAIKA KELY 'ZA

Partager miandry aho

Commenter miandry aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona