4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ady ny fiainana - Voahangy



Ho anao izay mijaly

Ho anao mila hamoy fo

Fa ny maraina lazaina ho avy

Toa resaka be avokoa.

Sasatra ianao ny mitady

Mikaroka ny hohanina anio ;

Ireo havana atao mba hanampy

Mandatsa manentsin-tadiny.



Hiraiko ho anao ity hirako ity

Hiraiko mba hamalifaly ;

Hampahery anao fa fiainana ity

Nateraka isika hijaly.



Na izaho koa aza anie mazàna

Manome tsiny indraindray :

Mizaha tavan’olona angamba

Fa toa miangatra mihitsy ilay Ray.

F’izay rehetra atao mba ho mety,

Tsy misy manjary avokoa !

Misaina anefa aho vetivety

Hay ady ny fiainana moa.



Sao mihevitra ianao fa ity fiainana ity

Natao fanomezana ho anao !

Voaozona isika matoa tonga ety

Hiady no anjaranao.



Na izaho ko aza anie mazana

...

Hay ady ny fiainana moa.



Fa ny adim-piainana rahoviana no

Ho foana tsy hisy izy ireny

Nefa aza kivy, atrakao ny loha

Tohero fa sao horeseny.

Partager ady ny fiainana

Commenter ady ny fiainana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite