4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Adin' ankizy - GHABY RATSITO

Alazako @ mamanay ialahy! MAMA an

maman ’i LITA a ! maman’i LITA o!

ahoana ? misy itadiavao ahy angaha...



1-nahoana ny ankizy no asian-tehamaina ry maman’i LITA

mamely ny ahy ka tsy maintsy asiako fa zaza maditra

izay adin’ankizy avy ve ramatoa koa dia hanorisory

rehefa tsy faly re izato ianao andeha re mitory!



2-tandremo ny vava sao andoavam-pataty mbà lanjalanjao

raha  misy alahelo aza mahery an-trano fa avia hifanao

izaho anie akory tsy mila sotasota na hoe mila ady

mivoaha koa tao fa ny heriko ampy ny sandrim-behivavy



3-ianao in1 izao no tahaka ny mamo miantso pôlisy

raha toa ka ny sandry no tadiavindry ny aty koa misy

hajaiko farany re zato ianao satria aho zandry

midina r’ikala mitavanavitrana f’izaho koa miandry





4-Aleo ho avy eo aleo ho avy eo

ho hitako hasiako avy hatrany

aleo ho avy eo

ataoko mijaly sy mitomany

aleo ho avy eo...



5- avereno kely hoe ity vavan-dry ry tavan-tsoavaly

izay ela izay aho tsy mba niteny ary tsy mbà namaly

izaho koa anie tsy mataho-maso mena fa lazaiko andry

mivandravandra toa mason-tsoavaly ikala dondrona ity!



6- ahoana ny zanako..

ny anao mamely ny ahy

ahoana no mamely ny ahy ny ahy ianao



7- aleo re io hasiako

aoka re ramatoa

asiako kely fa mitady  ahy

aoka  re ramatoa

izay io avy koa hanadàla ahy

aoka re ramatoa!



8- aleo re io hasiako

aoka re ramatoa

potika teo io raha tsy voatàna

aoka re ramatoa

izaho no mbà hivazavazàna







Andao letsy hilalao ry LITA

ity ny mofon’ialahy efa nomen’i mama mofo aho an

ndao letsy ah...



RODOBE:....

izay adin’ankizy avy ve moa rahavana

no entina hanimba ny fifankatiavana

teo izy niady nifandritarita

nefa miombona rehefa afaka 1 minitra

koa iza dia iza no ho voan’izany

satria ireo ankizy miombona ihany

ny fahafam-baraka va re tsy hifafy

raha adin’ankizy no atao hampirafy!

Partager adin' ankizy

Commenter adin' ankizy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GHABY RATSITO