4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba ho any - TARIKA TSIMOKA

Ny faniriako ry tiana hitoetra mangina

Eo anilanao

Nefa ny tenako raha mba manantona anao

Dia hilaozanao

Efa nolazaiko anao ianao tsy nihaino

Fa lasa nandeha

Hinoako aloha f'efa fantatrao ny tiako ambara

Asa re ?



Mba ento ,mba ento ,mba ento aho

Mba ento anaraka anao

Aza avela irery aho, anaraka anao



Irery aho irery aho irery ianao tsy nijery

Fa lasa nandao

Ka nangahiahy ity foko efa nanantena

Ho eny aminao

Andeha aho,andeha aho , andeha izany foana

No mba teninao

Ka indrisy fa niombo ilay fery tanatiko tao

Noho ianao



Mba ento ,mba ento ,mba ento aho

Mba ento anaraka anao

Aza avela irery aho ,anaraka anao

Mba ho any ,mba ho any, mba ho any aho

Mba ho any anaraka anao

Aza avela irery aho ,anaraka anao

Aza avela irery aho ,anaraka anao

Partager mba ho any

Commenter mba ho any

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TARIKA TSIMOKA