4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mangaina - Saholimalala

Tiany mba ho azy  hono ,ilay tsikinao malefaka iny

Tiany hatopy any aminy hono ,ilay masonao manjopiaka iny

Saingy ianao tsy tiany,fa ny fony efa nahazo ny iriany

Ka ianao kilalaony oh oh

ho an'ny masony fotsiny

Vetivety tsy tsaroany....





Satriny hono ho anilanao

No mba iriany hitosiana

Satriny hono hanambitamby

Lay feonao malefaka iny

Saingy ianao tsy tiany

Fa ny fony efa nahazo ny iriany

Ka ianao kilalaony oh oh

Ho an'ny masony fotsiny

Vetivety tsy tsaroany



Aiza ve ka ho azy irery

Ny aminao manontolo

Izy anefa sahy miteny

Ianao tsy tiany akory

Mba tandremo akia

Izy anie ka mpilalao fitia

Ny eo imolony tiko  oh oh

Fa ny ao am-pony tsy ilaiko eh eh

Eo ianao va hangaina

Mangaina eh eh.....Miala maina eh....

Partager mangaina

Commenter mangaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Saholimalala