4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Any indray andro - Rakoto Frah

Any indray andro tsy maintsy mifaly

Any indray andro tsy maintsy tomany

Any indray andro tsy maintsy mifaly

Any indray andro tsy maintsy tomany



Ndrao ianao mihevitra fa tsy ho tratr’izany aloka

Fiaina-mandalo ny eto an-tany re rahavako

Ndrao ianao mihevitra fa tsy ho tratr’izany aloka

Fiaina-mandalo ny eto an-tany re rahavako



O ! Rahavako o !

Hialao re ny fihatsaram-belatsihy

Ao am-po maizina, nefa ny vava tena misariaka



I Gasikara no tonga aty tsy misalasala

Angady mondro no entina miasa manalasala

Izahay zanak’omby tsy ampianarina milomano

Na ianao hitsidika na hitranga na hisava rano



Fa indrisy ianao ry tany filalaovako a ! A re roy e !

O ! Tsara ianao fa tsy azoko ianteherana e ! A re roy e !

Fa ny tany be toratoraka a ! A re roy e !

Ao ny lanitra mbola hangoraka eny o ! A re roy e !



A re roy, eny e ! (3)

E ! E ! Nahoana oa !



Aza maika ny mialoha lalana a !

Mihazakazaka tratrany miadana eny e !

Fa raha lasa aloha dia hantsoinay a !

Fa raha tratra aoriana handrasanay e !

Fa izany ary no hananan-kavana

Partager any indray andro

Commenter any indray andro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rakoto Frah