4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny tiako sy ny tianao - Max Exception

Vao nahita anao aho

Dia tsaroako fa ianao

Ilay tsy ampy amin’ny fiainako

Ny tianao no tiako



Vao nahita anao koa aho

Faly sady natahotra

Ndrao dia nofiko ihany izao

Ny tianao no tiako



Raha ny tiako sy ny tianao

No voninkazo atao kilalao

Ho mora foana ny hamaky izao

Tontolo izao sy ny fiainana ao



Ireo ankizy rahatrizay

No hany hitsara, hanamafy indray

Mihira izaho ho azy fa ianao ho anay

Ary izahay ho anao



Atao tsara sorona

Tsy ho faty ny afom-pitiavana

Toy ny kitay am-patana

Ny tianao no tiako



Raha sendra diso lalana

Mitady hamaky vala aho

Sintony mora hiverina

Ny tianao no tiako



(miaraka amin’i Lôla)

Partager ny tiako sy ny tianao

Commenter ny tiako sy ny tianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Max Exception