4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vitako 'zany - LOIC

Hifoha maraina handrehatra afo amin’izay izaho

Hahandro vary sosoa ho anao malala

Aza matahotra ianao fa tsy hikepoka vato

Ho tsipotsiponiko hatramin’ny haidratsy malala



Ny tranontsika ho alamina hate-honina lalandava

Fitiavantsika ho tsara kolokolo tsy ho lany manja

Izaho raha tezitra aminao tsy manao andolom-po

Asa raha d’accord ianao, asio bisous kely aloha!



       Vitako izany tsoriko aminao

       Vitako izany ataoko ho anao

       Vitako izany

       tsy ho ankiniko irery aminao ihany koa

       ndeha handray anjara izaho  te- hanana ny soa





Hivavavaka foana amin’izay aho sao ho bedinao

Tsy ho kamolahy intsony malala

Ianao rehefa vizana iny ho ataoko massage

Hanamboarako ranomboasary ianao malala



Samy vizana samy mampidibola

Nahoana ianao no ho botoiko noho ny akamoiko

Handray andraikitra aho fa Ray hikaon-doha isika roa

Asa raha d’accord ianao asio bisous kely aloha!





       Vitako izany tsoriko aminao

       Vitako izany ataoko ho anao

       Vitako izany

       tsy ho ankiniko irery aminao ihany koa

       ndeha handray anjara izaho  te- hanana ny soa






































































Partager vitako 'zany

Commenter vitako 'zany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LOIC