4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Folaka - Liva Andrianavalona

Tsy olon-kafa fa ianao

No mba iriko ho mpandova ny fitiavako mifoha

Fa na tsy anjely aza ianao

Ianao no afaka nanova ny toetrako taloha



Voarebireby aho fony tia rendrarendra

Nanjeny tetsy sy teroa

Mety ho vintana na koa sendrasendra

No nampihaona antsika roa



Ankehitriny nefa he

Tonga matahotra aho sao very raha tsy eo anilanao

Ny faniriako dia ny hoe

Tazoninao ho anao irery amin’ny fiainam-baovao



Tsy tambo isaina anie ireo fahavalo

Tsy tia antsika hiara-dia

Izay sorisory enga anie ka handalo

Ka tsy handrava ilay fitia



Tsy olon-kafa fa ianao

No mba iriko ho mpandova ny fitavako mifoha

Fa na tsy anjely aza ianao

Ianao no afaka nanova ny fiainako taloha

Partager folaka

Commenter folaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Liva Andrianavalona