4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sedra ho ahy - Jeedai

Sedra (Ho Ahy)



Ny tsirairay hono tsy maintsy mandalo sedra

raha mbola eto am’ty tany malama maina

sedra mampijaly eo ampavoazana, mahafanina, mampitaraina

nefa mahafaly rehefa voasivan’ny fotoana



Hook : tsy moramora ny misaraka aminao

lasa lavitra aa

izao indray no mitomany fa

irery fa tsy eo ianao

lay fitiavantsika nokasaina hatao

hany tapaka a

mbola hiverina eo anilanao izao

tena manina ny tsikinao



Lasa le raoziko nandeha nandao a, lasa lavitra avo

nanao veloma izy nanoroka de nentin’le vy nidina avo /

ny maso nisosa nanenjika tsy nahatazona, le izy lasa za lavo /

nivalo nitoloko ny foko nalahelo ory tsy nitsiky tsy nety ravo /



yeah, / ny fo nivalo ny ranomaso nifanenjika nitete de raraka

ranomaso tsy alahelo be ny a ho a / za nivavaka

mba / ho soa anie ny dianao / ho tonga ndray enao tsika hiaraka

hanoy ny teo aloha / tsy avelantsika ho very tsy ho raraka



na de / lalina ny ranomasina, manasaraka, ny dinatsika anefa masina /

iza no tsy mahafantatra ny fitiavantsika tsy azo roasina /

raisina amin’ny endriny tsotra / tsotra sady manankasina

ka na le kozy hoe lavitry ny maso lavitry ny fo aza maty / maty hasina



mbô kozy e / le nitempo nalahelo, kanefa tsy naratra /

tsy naratra satria izy kopy enao lasa / tsy lasa hoe handratra

fa / nandia ny lalan’mpiainanan’ny anjara sy ny lahatra hianatra /

hanampy le fahalalana hananako, io / ny hoavintsika taratra



Hook : tsy moramora ny misaraka aminao

lasa lavitra aa

izao indray no mitomany fa

irery fa tsy eo ianao

lay fitiavantsika nokasaina hatao

hany tapaka a

mbola hiverina eo anilanao izao

tena manina ny tsikinao



Ankehitriny anefa tsoriko tsy hay ny tsy hisento

eto za tokana manirery / ato an’hevitro mivetsovetso

mangatsiaka / efa zatra ny vatanao mifatotra am’vatako

zao za sisa tsy feno hafanana / ambany ondana ny tanako / tsy zakako /



tsy zakako izy zao fa / inoiko tsy maintsy ho zakako

nefa tsy arako ze atao, mivondrona / ny sarinao no taratro

ny saiko lasa misaina hoe / kii, lasa lavitra any le silako le anjarako

raha fehezina de / any an’tanin’olona any ianao, ianao le fitiavako /



lasa enao nentin’le voro-manidina nisidina nanenjika kintana /

kintana manjelatra taratra mazava fa tsy mety midina /

isan’alina a mitraka mijery an’dry zala mandravaka ny alina

de tsikaritro hoe io / io afovoany io le, le mazava indrindra aminy



tô / tô le firavaka kantoko lavitry ny masoko, gaga a to enao io /

le kintana fantatro fisiana fa tsy azoko kitihana / to enao io /

ianao le vato mamiratra tô diamodra na perla tsy vaky /

mamapiaingo a / le volamena mavesatra mitazona amin’ny fo feno tsy pôkaty.



Hook : tsy moramora ny misaraka aminao

lasa lavitra aa

izao indray no mitomany fa

irery fa tsy eo ianao

lay fitiavantsika nokasaina hatao

hany tapaka a

mbola hiverina eo anilanao izao

tena manina ny tsikinao



Voasaraka tsika de ho tritra ve k’ho vaky le dinan’tsika /

ts’inoko zany na de tsy hita aza hoe io mifangiditra eto tsika

satria / ny fo mbola mifamatotra anaty hafanana, voafono tsy mangatsika /

tsika tsy mifankahita fa / ny fahatsapan-tsika mikoriana tsy mety ritra /



tsy tokony ho ritra kanjo / iny tsy nampoiziko nandalo /

akanga nandangolango nitady ny hanariako ny akoho tamantrano /

tamantrano fa tsy ato antrano / lavitra tsy antany tsy andrano /

izy nandrabiraby / niraviravy, asidra nisedra za nidiran’angano



ny fitiavako hano hoy izy, izy hadinoy hoy a,

kay le, ahoana ary ty, nitsiky izy kola a,

ho ariko ve le tia a, inn ary ty ho a

sedra hitsapana ny maha za a sa, fakampanahy handravana a, an? /



De indro tojo / tojo ny sarinao nitsiky ny masoko za nitsiky /

nitsiky saika nisento raha latsaka tanatin’ity faka nitsiky /

nitsipika nitsatoka teto anoloako fa nahatsapako hoe tiako enao /

tena izy ka na sedra inn tsy ahalavo a, yeah, tiako enao /



Hook : tsy moramora ny misaraka aminao

lasa lavitra aa

izao indray no mitomany fa

irery fa tsy eo ianao

lay fitiavantsika nokasaina hatao

hany tapaka a

mbola hiverina eo anilanao izao

tena manina ny tsikinao



Bridge : tsy moramora ny misaraka aminao

lasa lavitra a,

(lavitra ianao)

zaho indray no mitomany

ilay fitiavantsika,

nokasaina hatao

hany tapaka aa.

(yeah yeah,)

Mbola hiverina a.



Outro : Manantena a,

manantena fa mbola ho avy ianao

manantena a.

Sedra ray ho ana

Sedra ray ho an’la

sedra maro no eto an’tany

sedra be de be de be de be tsy mety lany.



Hook : tsy moramora ny misaraka aminao

lasa lavitra aa

izao indray no mitomany fa

irery fa tsy eo ianao

lay fitiavantsika nokasaina hatao

hany tapaka a

mbola hiverina eo anilanao izao

tena manina ny tsikinao



tapitra /



Jeedai Feat. Randy


Partager sedra ho ahy

Commenter sedra ho ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeedai