4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Teto ambaravaran-kely - DEDE FENERIVE

Mandrainraina izaho mijimôko eto ambaravaran-kely

Mahatsiaro ireo fiainana fahazazana

Mitomany raha tsy mahazo tambitamby

Avy amin’ny papa o ! O ! Sy mama a ! A !



Isan’andro isan’andro antenako  voatambitamby

Na maditra be mbola misy mankatia arô

Mitomany raha tsy mahazo safosafo

Avy amin’ny baba o ! O ! Sy mama a ! A !



Refrain

Mangidy mafy ê ity fiainana ity ê

Aza hatatao raha tsy kilalao

Tsaroako mangidy ity fiainana ity ê !

Aza variana sy milalao ê



Ankehitriny anjara tenako ê sasatra

Milofo mafy matre papa be

Hadino hatreo ilay safosafo sy tambitamby

Avy amin’ny papa o ! O ! Sy mama a ! A!



Refrain

Mangidy mafy ê ity fiainana ity ê

Aza hatatao raha tsy kilalao

Tsaroako mangidy ity fiainana ity ê !

Aza variana sy milalao ê





Mitamberina ato an-tsaiko

Ny tantara fahazaza ê !

Tsaroako ny teto ambaravaran-kely

Partager teto ambaravaran-kely

Commenter teto ambaravaran-kely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DEDE FENERIVE