4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ranomasom-birijiny - CLO Mahajanga

Ranomasom-birijiny



1° He ! Zakaina ity, takaitra henti-mandra-maty

     Navelanao taminy, lanjainy na dia mafy

     Toky mamy sy lainga madinika nalentikao ho latsa-paka

     Ny toeranao taloha nazonao ny soa natonga anao nanjaka



Hanaraka anao any ho any ny alahelo sy tomany ô

Ranomasom-birijiny

Hanaraka anao any ho any ny alahelo sy tomany ô

Ranomasom-birijiny

Hum ! hum !



2° Toerana iray toy ny tanana mangina mbola tsy nandalovana

     Olona iray toy ny tenanao no nanitsak’ity fahadiovana

     Nataony toy ny holatry ny fahazazana, sitrana raha avy naratra

     Na efa tsy tsara tsy toy ny taloha, bikao raha mbola vonon-kitraka



Ranomaso tsy ritra fa mety ho maina

Hifandimbiasantsika, tsy maintsy hozaraina ô !

Todim-pitia anie ka fitia

Ranomaso tsy ritra fa mety ho maina

Hifandimbiasantsika, tsy maintsy hozaraina ô !

Todim-pitia anie ka fitia

Hum ! hum !



Clo Mahajanga

Partager ranomasom-birijiny

Commenter ranomasom-birijiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CLO Mahajanga