4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Talenta - Mamy Rakotoarimalala





1-Matoa aho mikalo izao hirako izao

Tsy dia ahitraitra na hoe kilalao

Fa noho ilay talenta ao anatiko ao

Hihira aho hikalo no hiventso ho anao.



       Tsy hangina aho, tsy hangina tokoa

       Ny talenta natolotrao ho ahy

       Fa miaina ary koa manasoa

       Toy ny tena sy saina, fanahy



2-Tsy vola sy harena no mba fiadanako

Na hoe hiankinan\\’ny fiainako koa

Fa ilay talenta no any hifaharako

Satria io no anjara sy lova soa



3-Na fifaliana na koa fahoriana

No voatokana ho ahy amin\\’ity tany ity

Dia injao ao anaty ilay ra mikoriana

Tsy mety mitony tokoa, fa satria:

Partager talenta

Commenter talenta

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamy Rakotoarimalala