4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rivotra - Mahaleo

Ny rivotra mandalo ve no mitondra tadio

Ny rivotra mifafy ve no mitondra io orana io



Ny tany ve no ratsy

Sa ny olona no efa lany vatsy

Ny tany ve no boboka

Sa ny olona no efa vizana sy drodroka



Dia hoy aho hoe manontany tena mba ho aiza ihany no hiafarana

Gaga(2) sy mihenahena ny olona ao an-tanàna



Voazara ho antokotokon’olona

Voazara ho vondrombondron’olona

Nozarainy ho fokofokon’olona

Amin’izay angamba tsy ho vanon-kolona



Iza moa no tsy mahalala fa izay mitambatra dia vato

Mampisala(2) anefa ireo mpanao afer izay nihamaro tato ho ato



Mitombo ny isan’izy ireo

Mitombo ny volan’izy ireo

Miroborobo ny aferan’izy ireo

Tsy laitra ny setrasetran’izy ireo



Ny rivotra manadalo ve no mitondra tadio

Partager rivotra

Commenter rivotra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite