4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra avo - Mahaleo

                Andriamanitra Avo
Toa tsy ho ela dia foana,
izao tontolo izao
Soa aho fa nihaona
sy nahalala anao
      Fa teny amoron-kady
      ny antsana no tazana
      potika ny tany
      sy zary hiantsampazana
Ny manodidina ahy
toa moana sy poakaty
Ny hatsaram-panahy
nandositra sa maty
na ny fijery an'azy
lasa nandao koa ny fo
tsy hisy te halala azyny alaheloko
    Indrisy ny fitiavan-tena
    dia loharanon'ny maloto
    Tsy mety ritra tsy hay fefena
    Lasa rano fisotro
Tsy misy hatahorako
Hitsakitsahinao daholo
Na herika "nodorana"
Ny fahendren'ny Ntaolo
    Fa tonga ianao nivazo finoana sy fitiavana
    handesy ireo ratsy
    hampiray ,hampihavana
    Ka ny fitiavana no hasetriko ny sopatra
    Ny manodidina ahy,fony no hiriko hisokatra
Fa tsy hisy lalan-tsarotra,
na fitsapana mety handavo
Fa ao hitsinjo ,hanavotra
   ANDRIAMANITRA AVO!
Ou! ou! ou! ou!......
   Andriamanitra Avo!

Partager andriamanitra avo

Commenter andriamanitra avo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite