4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Solafaka - Mahaleo

Solafaka, solafaka diso fihetsika

toa ila, toa ila tsy hahahetsika

solafaka, solafaka nandao ny lalan’ny marina

toa ho ela toa ho ela vao tafarina



Eboebo ery nitady fahafahana

fantany hono hoe ny lalana noharahina

indrisy, indrisy fa tsy niandry ela

ritra teo ny fahendrena sisa tavela

hetraketraka etsy sy eroa

hadalana tsy hary voatanisa koa



nandosirana, nandosirany  ny ray aman-dreniny o!

ny havany, tsy sasatry ny nandatsa

taloha nihomehezana raha niteny

ankehitriny tsy omby vava ilay patsa



Tara loatra,tara loatra vao tonga ny nenina

nefa ny henatra, ny henatra sarotra hafenina

koa mangina, mangina aloha rehefa voa

hadalana,hadalan’iza moa andriamatoa?

Partager solafaka

Commenter solafaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite