4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mipololotra - Mahaleo

Mipololotra toa tsy tana
Toa setroka sigara
ny alaheloko ny akamako
Singan-drery ka tsy tsara
Mitrahotraho ny oran-ko avy
manembonembona aho izany
ny saiko no manavinavy
voton-tsento sy tomany

Lasa ianao , lasa ianao
tsy nanao veloma akory
ny fitia anie tsy lalao
na fanalana sorisory

lasa ianao fa tsy tamana
nanefy ankany vaovao
mandehana ,mandehana
f'izaho tsy hitazona anao
mahazaho izay tandrify
mahazaho izay ilaina
aza sendra ny manify
aza sendra haintaina

Veloma ianao veloma ianao
f'izaho tsy hanadino akory!
vonona aho ho namanao
raha misy zava-mampahory

Mipololotra....

Partager mipololotra

Commenter mipololotra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite