4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isekely - Mahaleo

ISEKELY
Isekely ihany no mba mamiko
Faniriko hatry ny elabe
Masoandroko ,fifaliako
Ka tsy mety ho adinoko
Isekely ihany no fitaratra
Itarafana ny fiainana
Na ny masonao ,
na ny tsikinao
Manome fanantenana
Mba omeo sary
Ataoko ambany ondana
Hiantsoana ny nofy
Nofinofin-tsika roa
Misy zavatra tsy laitrako
Manahirana ny saiko
Tsy mampatory andro
aman'alina
Fa mampifoha maraina
Tsy maintsy hianatra maraina
Mbola hiverina ny hariva
Dia hitsena ,sy hanatitra
Sao misy manadala
Mampivezivezy
Ianao sy ny fianarana
Nefa ny fiainana
Tsy vitan'ny fitiavana

Isekely nefa tsy foiko
Na dia mampijaly foana
Ianao no kintana,Ianao no volana
Fanilon'ny foko
Isekely no mba secret -ko
Tsy lazaiko an'iza n'iza
Hanamboarako hamoronako (hanoratako)
Hirahira vaovao
Toa voninkazo
Mbola ho ela vao halazo
Ilay fitiavako
Ny fitiavako anao

Partager isekely

Commenter isekely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite