4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fasan'adala - Mahaleo

FASAN’ADALA

Toa mahonena ny mijery eo am-baravarakely ity fasan’adala
Maty nefa toa tsy misy hoe mba manana namana indrisy
Fa mitalaho mihintsy izy
Toy ny fahavelony tsy nanan-kavana
Ireo vorona an’ala no sisa namana

Toa mahonena ny maheno eo am-baravarakely
Ny siokam-borokely
Mandrakotra ny fasana indray maraina ireny
Ny zavony ririnina sy ireo feon’ahery
Adala mantsy ka hadinoina toa ny biby novonoina
Tsy mba nomena fitiavana
Mangidy anefa raha tavela toy ity adala irery
Ao am-pasana ao

Toa mahonena be ihany ny mahita dongon’tany
Feno bozaka malazo
Vovoka sy faka-kazo no manampy ano
Hanatrika ity fahanginao mba sarao
Iza re no mahalala fa ianao io adala
tsy very fa ao an-dohako ao
tsy maty fa ao an-dohako ao

MAHALEO

Partager fasan'adala

Commenter fasan'adala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite