4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lavitra ahy - Mamy kely

Na tsy eo akaikiko aza ianao

Izaho dia mahatoky foana

Fa tsy miova ny fitiavanao

Manoloana ity foko efa moana

Ianao no tiako dia ianao hatrany

Ary ianao raha mbola eto an-tany



      Tena tiako anie ianao

      Hatrany amboalohany ka hatram’izao

      Ary enga anie ho mandrakizay

              Na dia teo aza ny vato nanakantsakana

      Ny lalantsika roa dia tsy hovoabahana

      Satria ianao tiako sady tia ahy

      Ka izany no tsy ananako ahiahy





Tena henoko tokoa  

Fa mafy zany lavitra anao

Saingy atao ahoana moa

Fa izany no lalam-piainana

Tsy maintsy miezaka mba ho tafita





Tena tiako anie ianao

Hatrany amboalohany ka hatrami’izao

        Ary enga anie ho mandrakizay

Na dia teo aza ny vato izay kantsakana

Ny lalantsika roa dia tsy ho voabahana

Satria ianao tiako sady tia ahy

Ka izany no tsy ananako ahiahy



Tena tiako ianao

Tena tiako tena tiako tena tiako ary tena tiako

Partager lavitra ahy

Commenter lavitra ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamy kely