4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Noeline - Mamy kely

Tovovavy kely mahafatifaty

Endrika sy bika ary lamba fitafy

Tena meva tokoa kanefa indrisy

Ny fitiavany ahy no toa tsy hisy



REF:     Ataoko ahoana re

         Ny ahazahoanao ry Noeline

         tovovavy tsara tarehy

         Nefa izaho izay tsy inona tsy inona

         Tiako dia tiako tokoa ianao

         Ka mba tiavo aho raha tsy mampaninona



Ny androm-piainako rehetra

No atokako ho anao

Omeko anao tsy misy fetra

izay fitiavana ao am-poko ao





REF:     Ataoko ahoana re

         Ny ahazahoanao ry Noeline

         tovovavy tsara tarehy

         Nefa izaho izay tsy inona tsy inona

         Tiako dia tiako tokoa ianao

         Ka mba tiavo aho raha tsy mampaninona



Izany no izy re rahavako

Ka mba ekeo re ny fitiavako

Aza avela hijaly loatra

Ity foko mila hitroatra





REF:     Ataoko ahoana re

         Ny ahazahoanao ry noeline

         tovovavy tsara tarehy

         Nefa izaho izay tsy inona tsy inona

         Tiako dia tiako tokoa ianao

         Ka mba tiavo aho raha tsy mampaninona



Tiako ianao tena tiako loatra...

Partager noeline

Commenter noeline

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamy kely