4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kambana - Mahaleo

----
Anio ianao no nifidy ho avy
Hameno isa anay mivady ho mpianakavy
Efa ela naniriana hanana kilonga
Anio ianao no ho tonga

Ny ranon-doha efa vaky
Mba hanamora ny dianao mba halakilaky
Reninao te hivoaka matetitetika
Hay ianao no manesika

             I koto sa i kala
             Iza no mahalala
             Mety ho iray, mety ho roa
             Tiako avokoa
                           Fa izay tonga tsy ho laviko
                           Fa ho lalaiko, ho tiaviko
                           Satria tompon’ny hoaviko

Tonga Rasazy namazivazy
Hoe « aza taitra ianao rangahy f’io mandeha ho azy »
Rehefa nitsapa izy dia nilaza
« Efa akaiky, akaiky ny zaza »

« Raha vonona ianao dia miakara
Mitsilania etsy ambony farafara
Eo ambonin’ny tavy no misaveraka
Tsitsio ny aina ndrao dia reraka »

             I koto sa i kala
             Iza no mahalala
             Mety ho iray, mety ho roa
             Tiako avokoa
                           Samy ho tiako daholo
                           Na iray no eo na folo
                           Izaho vonona hanolokolo

-----
Nanomboka ary ny ady lehibe
Ny fanenan’i Neny no hany sisa re
Ny fikekekezany, ny tabataban-dRasazy
Manome torimarika ho azy

Izaho nandositra tsy sahy nijery
Fa aleo izy ao, aleo hiady irery
Tany an-dalantsara aho no nisomebiseby
Kivikivy sy nitebiteby

             Mba ho tafavaokany ve
             Asa re
             Izy anie mbola tsy zatra
             Ndrao maratra
             Fa ny saiko mizarazara
             Miandry izany ho anjara
             Na ho ratsy na ho tsara

Nivoha ny varavarana
Dodona ery aho nanarangarana
Ny fitsikin’i Neny no nitsena ahy
Hoy izy hoe: « kambana vavy sy lahy »

Nihazakazaka aho nanoroka an’i Neny
Nijery ireto kambana aho tsy nahateny
Iray no nantenaina, roa indray no tamy
Hafaliana ts’isy ohatr’izany

Partager kambana

Commenter kambana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite