4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikalakely - Mahaleo



Kalakely ato an-trano anie ka te hikopak’elatra

Te hisidina irery izy f’efa lava elatra

         Izy te handeha, tsy navelany nandeha (2)

         Handeha ho any a!



Notapahan’ny papany anie ny elatr’i Rakalakely a

Notapahan’ny neniny anie ny elatr’i Rakalakely a

         Izy te handeha tsy navelany nandeha (2)

         Handeha ho any a!



                  Saingy mbola lavitra, ilay bandy kely tiany a

                  Saingy mbola lavitra, lavitra be

                  Saingy mbola lavitra, ilay bandy kely tiany a

                  Lavitra be, lavitra be, ilay olon-tiany a!



Kalakely ato an-trano anie tsy mety fa mandositra

Kalakely ato an-trano anie voatana tao am-baravarana

         Izy te handeha, tsy navelany nandeha (2)

         Handeha ho any a!



Notapahan’ny papany anie ny tongotr’i Rakalakely a!

Notapahin’ny neniny anie ny tongotr’i Rakalakely a!

         Izy te handeha, tsy navelany nandeha (2)

         Handeha ho any a!



Kalakely ato an-trano anie miantsoantso mafy a!

Kalakely ato an-trano anie miantso an’ilay bandy kely a!

         Izy te handeha, tsy navelany nandeha (2)

         Handeha ho any a!



                  Saingy efa ho tonga ilay bandy kely tiany a!

                  Saingy efa ho tonga, tonga indray

                  Saingy efa ho tonga, ilay bandy kely tiany a!

                  Efa ho tonga any, efa ho tonga any, an-dalana any a!



Kalakely ato an-trano anie mitazana eo an-davarangana

Manjelanjelatra fijery izy mitazana ’lay bandy kely a!

         Izy te handeha tsy navelany nandeha (2)

         Handeha ho any a!



Nopotserin’i papany anie ny mason-dRakalakely a!

Nopotserin’i neniny anie ny mason-dRakalakely a!

         Izy te hijery, tsy mahita intsony

         Izy te hijery an’ilay bandy kely

         Ilay olon-tiany a!



                  Izay vao tena ho tonga ilay bandy kely tiany a!

                  Izay vao teny ho tonga, tonga indray

                  Izay vao ho tena ho tonga ialy bandy kely tiany a

                  Nefa tsy hitany intsony (2)

                  Ilay olon-tiany a!



MAHALEO

Partager ikalakely

Commenter ikalakely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite