4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikala jakilinina - Mahaleo

IKALA JAKILININA

Toa variana mijery voro-mandalo Ikala Jakilinina
Te-hanidina hianavaratra Ikala Jakilinina
Toa mangetaheta fiainan-kafa Ikala Jakilinina
Tsy navelan'i Dada, tsy navelan'i Neny Ikala Jakilinina

Dia nitady vola hiakarana Ikala Jakilinina
Ka nangalatra akanjo ba Ikala Jakilinina
Dia nanaraka rangahy manam-bola Ikala Jakilinina
Dia dimampolo vetivety, dimampolo mandalo, dimampolo isan'olona

Soa ihany fa nisy metisy, metisy karana tao an-tanana
Izy no mba nanana fiara mangamanga tao an-tanana
Izy no nitondra tao anaty fiara an'Ikala Jakilinina
Izy no mba nitondra nianavaratra an'Ikala Jakilinina

Nefa nijanona teny antsasa-dalana ilay karana
Sady nidina tamin'ny fiara ilay karana
Ary namoha varavarana an'Ikala Jakilinina
Ka natositosiny hivoaka ny fiara Ikala Jakilinina

Injany nisy feo nikiaka, nitalaho, nitomany tany ho any
Iny fa niverina irery tao naty fiara ilay karana
Dia nariany teny antsasa-dalana, tany anaty ala   Ikala Jakilinina
Rehefa nandoa saran-dalana, saran-dalana Ikala Jakilinina.

Partager ikala jakilinina

Commenter ikala jakilinina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite