4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsara petrapetraka - Tselonina

Tovovavy jefijefy, kala toa fetsifetsy

no nahataratara an’ahy, ’zaho moa avy any an-tsaha

roa taona nifanadala

izay aho vao nahalala

fa tsara petrapetraka ,tsara petrapetraka aho e

lehilahy mody ,lehilahy mody izao no famindrako(2)



Dia nanao fotoana ,teny amoron-kady,

ny folakandron\\’ny alahady,

namokovoko niakatra

tsy nahalala sasatra,

fa sempotra nitranga lela any aho,

izay aho vao tonga saina,

fa tsarape trapetraka, tsara petrapetraka,



lehilahy mody,lehilahy mody ,izao no famindrako(2)



Tsy hita maraina manjavona hariva

tsy mahatombon-tsiraka,

ianao toa mandreraka ahy,

izaho mivalanketraka a

nataonao papangon-jaza any aho,

atsipy dia ahoron-tady,

fa tsara petrapetraka,tsarapetrapetraka,



lehilahy mody,lehilahy mody izao no famindrako(2)



Niaka-bokatra ny fararano,

andron\\’ny tsena be.

ny paosin\\’ny malabariko amin\\’izany

feno vola be dia be,

dia niditra an\\’ilay hotely any aho

lany vola niala maina

fa tsara petrapetraka,tsara petrapetraka aho e



lehilahy mody lehilahy mody izao no famindrako(2)



Nanaovako kopile karavaty

satroka bonetra tsara,

dia indro fa nanaraka ahy

handeha hijery sonema

nisikinako lambahoany indray andro

nilaza fa tsy aoan trano

fa tsara petrapetraka ,tsara petrapetraka aho e



lehilahy mody,lehilehy mody izao no famindrako(2)



Dia nankalazaina fa andro asabotsy,

no hatao ny raharaha,

izaho moa efa sahy,

izy koa tsy nandà,

fa ny andro fampakarambady,

izay vao nifampitady

fa tsara petrapetraka,tsara petrapetraka aho e,



lehilahy mody,lehilahy mody izao no famindrako(2)




Partager tsara petrapetraka

Commenter tsara petrapetraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina