4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Naniry aho dia ... - Tomi DADAROZY

Eh! Indry ry zazavavy
Fantatrao aho fa manavy,
Tena potika sy sira
Dia Vita-ndry ny mamilafila

Ny ahy tsy resa-boloky
Ka haman-dalitra, hampanonofy
'Ty tanako te hitsapa
Matahotra aho sao voadaka

REF :
Dia tiako reitsy ianao
ataoko malala ,
Tsy resa-jaza akia na farafara
Fa fitia tsy mba kanosa
Fitiavantsika roa ataoko miavosa
Dia tiako reitsy ianao ataoko madama
Hoy i Kotokely sa Ikala Soafara
Izay revintsika atao mafana
Tantara tsotra kely toa tsisy fiafara

Dia tsy mba misy fo ve reitsy
Amin'izato fihetsikao toa fetsy
Dia faly ery indry fa izaho adala
Aza atao an'izao izaho ry malala

Ny ahy fitiavana amin'ny fo fa tsy loha
Dia ny hiraisantsika roa
Indry ilay anjara nirina
Ka tiako ataoko olon-tiana

Partager naniry aho dia ...

Commenter naniry aho dia ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tomi DADAROZY