4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tontolo iainana - Mahaleo

Raha tsy voakolokolo
Dia simba ny tontolo
Hatrany ambanivolo
Raha tsy misalasala
Handripaka ny ala
Reo hendry mody adala
Raha tsy masaka ao an-tsaina
Fa tsy mamelon'aina
Ny tany karakaina
Tsy mety ho zarizary
Ny fambolena vary
Ho tonga ny mosary

Mirehitra ireo hazo
Manakatra ny lanitra
Manomboka malazo
Ireo vonikazo manitra
Afo mijoalajoala
Mandrakotra ny ala
tsy ela vetivety
May ny tanety
Miha maizina izy izany
Tsy hita ilay masoandro
Miha maizina ny tany
Miovaova ny toetr'andro
Miha ringitra ny voary
Tsy salama tsy marary
Mananotanona sahady
Ny ampitso mafy ady

Fa ny masaka aho an-tsainy
Ny vola no ilainy
Ny ankoatr'izay tsy hainy
Ao dia ao ny lalana
Mifefy ny tanàna
Ka tsy azonao ialana

Ref:Ahondrany avokoa
      Sokatra sy vatosa
      Izahy misy tombo-tsoa
      Dia lazainy fa kirizy
      Nefa ny azy ny valizy
      Efa tsy ho omby ireo devisy

Izy hono tsy voatery
Mikolokolo
Fa tsy aferan'izy irery
Raha simba ny tontolo
Fa vola no ilainy
Vola no saininy
vola vola ihany
No mampihodina ny tany
Adidintsika jiaby
Ny mikarakara
Iza ary no hibaby
An'i Madagasikara
Ny taranaka ao afara ve
Dia andova tany ngazana
Mba mihevera tsara re
Sao manjavona tsy tazana

Partager tontolo iainana

Commenter tontolo iainana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite