4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hafanana - Jeannot RAZAKANDRAINY

Tadidio kely ange

Indray takariva izay

Notantaraiko tamin’ise fa

Tsy miaraka izahay

Fa matoa izy eo anilako

Satria tiako ny eo anilany ôh

Fa raha izay fitiavako ?

Na misy aza silany



Fa ny antsika kosa

Hafa tsy toa ny anay

Fa fitiavana miavosa

No niarahana hatrizay

Toky ihany no omeko

Omeko anao

Tsy omeko azy o

F’izay efa nekeko

tsy ataoko vazivazy



ref:

Fa tiako loatra ianao

Mamy toa tantely

Tena fitia fa

Tsy lainga velively

Misy ihany anefa anie

Omeny ahy tsy omenao

Ka hadisoako ve ?

Sa kosa diso ianao ?





Anananao tokoa ny bika

Ny endrika torak’izany

Nefa kosa mangatsiaka

Raha anilanao hatrany

Ny hafanana ry lalaiko

Mila izany ny fitia e

Ny fitia e

Io ihany no karakaraiko

Matoa aho tsy tonga aty.

Partager ny hafanana

Commenter ny hafanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeannot RAZAKANDRAINY