4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza manody - Doods

AZA MANODY



Diniho kely ny zava-misy, ny olon-tsara vitsy

Niezaka aho ny ho tsotra aminy kanefa indrisy

Nandeha ny taona nihatsikaritro nazava, tsapa fa:

Ny dian’amboa mitafy ondry kay mikaikitra

Ny mody ’kama omaly point fa ho adva atsy ho atsy

Mihem-batsy ireo tsy maintsy atombon’ny zava-dratsy e e

Hay ve ny life-ko feno olana

Mbola be mpaniry f’izy tsy mivolana

Yeah azafady, indray mipimaso Doods milamin-tsaina

Ny aliny ihany no natokany ho adin-tsaina

Saingy izay tsy nahalala izany nivadika nankahala

Fa tsy mety aminy tsinona raha ny hitovy sahala

Na talenta, na fahaizana hatramin’ny tsy voaeritreritra (S,S,S,S)

Nitambatra nahavitany heloka efa voahevitra

Ny ahy ny tsia takonan-tsara noho ny blema

Ny azy ny hatsaravelatsihiny ity lasa thème





Ref: Misy ireo mody akaiky ahy

        Fa ivohoko toa mandrendrika ahy

        Manao izay halavo ahy

        Fa na mafy aza fanenjehana

        Sanatria izany raha hahakivy ahy

        ’Lay Nahary no miaro ahy





Samy nomen’ny Avo isika fa ny ahy no tsy aritra

Na afeninao aza io yeah ny aty mahatsikaritra

Kama enao nefa,

Ny fahombiazana natao ho reharehan’izay akaiky,

Ngamba io kosa iaraha-manaiky

Nefa indrisy fa nitsiry tao anaty fonao tao nikiry

Nitondra heta ratsy nahatonga anao haniry

Fa hokobonina aman-taona firy Ra-fialonana

Tongava saina sao simba amin’izany ny sisa andro ivelomana

Yeah, mety ho voakitika ny fonao miheno

Yeah, dia zao ny teniko : afeno!

Aza aseho masoandro ny tsy tokony hitranga mba menara

Fa tsy ampahan’ny vitanao ity kôzy ambonin’ny maneno

Foinao ho an’azy ny hatsoranao

Fa tsy asiany tempo na sento iray monja

Tsy tafa izy ity, nefa aleoko izao mangina

Saingy ny fankahalako tsy haiko ho tapitra rahovina







Kôzy iray ity ho an’izay manenjika ahy

Aza mitady randrana tsy manendrika

Ka sao variana miandry tataka fa ampiasao ilay saina

Dia takaro ny tiako holazaina

Fototra iorenako ilay fahendrena

Ekeo fa tokontany ikarenjeko ny hafetsena

Mba raiso an-tanana aloha ilay fiainanao

Fa ny anjara samy manana, ahirato ny kely ananana

Am-pahatsorana io, am-panetren-tena

Tasim-penina, haisoratra notefena

Asakasakao ary, hey fakafakao tsara

Fa voalaza aloha hoe ny mpanenjika hono any afara

Partager aza manody

Commenter aza manody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Doods