4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia resin-tory - Zoely Ratsimbazafy

(solo vavy)



Aza dia teren’ny fo

Ilay fitia mbola matory

Mba avelao kely aloha

Tsisy mahamaika akory

Tsapako aho fa mbola kely

Mbola lavitra ny dia

Ka tsy maika velively

Ny hanandrana mitia

Mbola ho avy ny lohataona

Hitsirian’ny fitiavako

Any angamba vao hihaona

Izaho sy ilay ho havako



       ( refrain ) :

       Amin’izao fotoana izao aloha

       Ny tiako : dia ho namanao

       Mandrapahatafafoha ilay fitia anatiko ao



Hotiaviko ianao toy ny namako rehetra

Amin’izay angamba vao mba hifankahalala toetra

Ny kilema, ny hatsarana, hohitantsika avy hatrany

Tsy handiso fanantenana rehefa any aoriana any

Raha misy haratsiana azo hovana na ho zaka

Dia inoana fa any aoriana ilay fitia ho lalim-paka

  

        ( refrain ) :  Amin’izao fotoana izao aloha . . . . .


Partager fitia resin-tory

Commenter fitia resin-tory

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zoely Ratsimbazafy