4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny tia sy ny tiana - Zery sy Samy

Ny tia sy ny tiana

Ny tia sy ny tiana no tafaray

Fo ankiroa nefa tena iray

Sasatra foana ny mpankahala

Mpisompatra antsika e no lasa adala

Ny mpisompatra antsika eny ho lasa adala



Ny tia: mifamatotra mifangia

Ny fo: mifanojo fa samy tia

Tsy: an-tendromolotra f’ao anaty

Fitia: miara-belona, miara-maty

Tsy an-tendro molotra f’ao anaty, ny tia

Fitia, fitia miara-belona miara-maty.



Vizana foana izay te hanjola

Ny vita fanamby hono tsy mba tola

Lamban’akoho ka tsy miraraka

Ny fasana ihany no hampisaraka

Lamban’akoho ka tsy miraraka

Ny fasana ihany no hampisaraka

Partager ny tia sy ny tiana

Commenter ny tia sy ny tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zery sy Samy