4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tomaniny - ZADOO

Niantso anao teo izy omaly

Fa tsy namely azy ianao

Nanoratra indray izy taratasy

Fa tsy mba novakianao akory

Tomany izy

Tomany (2)



Iny masoandro iny mody

Sisa nozarainy fitia

Ny alina maizim-pito angamba

No hamafa ny ranomasony

Tomany izy

Tomany (2)



Namerina indray izy tany an-tsainy

Reny tantaranareo nankahalainy

Sarotra ho azy mantsy ny hino

Fa ianao no sahy hanadino

Tomany izy

Tomany (2)



Namerina indray izy tany an-tsainy…



Fitiavana iny efa nomeny anao daholo

Fa ratram-po no mba fonao ho azy

Ny fiainany efa natokany ho anao irery

Fitiavana no niriany ho azy



Voninkazo tsara loko, ny fiainanareo

Fa navelanao ho lazonin’ny andro sy ny volana

Zary nalazo ilay tantaram-pitia, nambabo fanahy

Tsy tazako intsony ilay tiako ianao

Partager tomaniny

Commenter tomaniny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ZADOO