4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zaza sary - Mahaleo

Raha niaraka niriorio izaho
Sy ny hafaliako
Tany lavitra any, tany an’efitra any
Fa inona no niandry ahy tany

Foana toa tsy nisy ny hafaliana
Nahare ity feo mahavariana
Zaza mitomany, zaza mitomany
Izany no nanaitra ahy tany

             Ka nijanona aho, nierikerika
             Sanganehana aho, nitoditodika
             Oh, oh, oh, aiza re izany zazakely izany
             No avelan’ny reniny hitomany

Io trano haolo, nefa toa tsy haolo indray
Noho ity zazakely ao
Zazakely iray e, toa tsy manan-dray
Narian-dreniny izay sahisahy

             Izany angamba tsy sitraponao
             Fa voatery, voatery natao
             Nefa eritrereto sy diniho ange
             Mba saino kely sy hevero re

Partager zaza sary

Commenter zaza sary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite