4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zara - Belahy

Efa ela no nanitikitika maha-te hikitika

Mipelipelika, mampieritreritra

Mahataratara ny fihetsik’i Zara

Raha misy manantona tsy te halala

Izay tsy mahatanty aza miantso hoe malala

Torahany tsiky dia lasa izy miala



Ref: Zara! Zara a!!

        Zara! Zara a!



Ndeha  hanaraka an-droky

Izay vita rasipa fa aza hodiana tsy hita

Amin’izato fihetsika manaitaitra sy maneho bika

Tsikitsiky no atolotro, roky fa tiako

Ny sisa dia ny faniriako

Hampiakatra an-droky, f’iroky no tiako

Iroky no tiako!!

Aza be sangisangy, mampihesona bandy

Izaho efa sasa-miandry

Tsy tiako ny resaka mamilafila sy mavandivandy

Tsà mba tiako ny resaka  allez- retour,

Manao patata- patati, makatsy sy àry

Raha ohatra isika ka hiara-dia e!!



Ref: Zara! Zara a!!

        Zara! Zara a!



Fa nahoana àry iroky no mitari-dosotra

Izaho ato aoriana tsy taitra, tsy rototra

Tantiko foana, tandremo àry sao mora sosotra!

Toraka tsiky tsy mety milaza

Mitranga mihemotra toy ny lelon-jaza

Omeko tsy omeko tsy hita izay tena mazava a!!



Ref: Zara! Zara a!!

        Zara! Zara a!



Vao omaly aho no nahita an-droky

Nivimbina boky, mandeha moramora sy midoladola

Hianatsimo sa hianavaratra

Mba te hamantatra fa tsy maharaka

Handeha hianatra sa hampiaraka

Manahy mafy aho sao dia miahaka



Ref: Zara! Zara a!!

        Zara! Zara a!

A ooooouuuuuuhhhh!! I zara a!! I Zara a!

A ooooouuuuuuhhhh!! I zara a!! I Zara a!



Ref: Zara! Zara a!!

        Zara! Zara a!


Partager zara

Commenter zara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy