4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zandry - Abass

Ireo nandrarako anao any Razandry

Efa niainako ombieny ditra tsy vita

Tsy hoe fitiavan'ny tena fa mba henoy ihany

Ny ho avinao mba jerena fa aza variana



bridge:Mandalo ny hatanorana, mandalo miserana ihany

          Miha-maro koa ireo fakam-panahy ka

          Mitandrema ihany!!



I Dada sy i Neny tsy ho eo foana a!

Hanortoro sy hiahy raha sendra noana

Matoa hiala-nenina mbola hantenaina

Miezaha mba ho mendrika tsy ho ambakaina



bridge:Mandalo ny hatanorana, mandalo miserana ihany

          Ny tany koa anefa malama

          Mitandrema ihany!!(mba mailo ihany)



ref: Ny andrina tsy naniry volo

      Menatra noho ny taona

      Lanjalanjao ihany izay atao

      Mba tsy hanenenana rahatrizay



Mahaiza ihany misafidy namana iarahana

Rehefa ho ratsy mantsy izy ireny manimba saina

Aleo tsy misy toy izay ratsy raha azo fidiana

Ny fahendrena Razandry no tena akama !!!



bridge................

ref...............

Partager zandry

Commenter zandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Abass