4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zanamalala - Erick Manana

Bekonao le ndaty ee

Jijinao levaly ee

Mampodipody aina ahy

Fa sady hira no fanahy!!



Sôvanao ry akama e

Saleginao zavavy ee

Iray fototra tsy mizara

Manam-peo anie i gasikara



Ankizy maro indray mivazo

Tsy misy izany "Do"

Tsy misy izany "Fa"

Tsy misy izany "Ré"

Fa angolam-peo mifangaro o

Zafindraony tonga lafatra no re

Sambatsambatra ery i Dada Bary e

Mandidy ity lokanga eo ambony tsihy

Tsy maharitra ery am-pinjijaina vary

Ireo zatovovavy ka velon-dihy



Very ilay kaiamba ee!!

Famelomam-baly ee!!

Ontsa anie aho

Razanamalala ee !

Tsy anky hambahamba e

Samy mifaly e!

O! Manafo

Avoahy ilay djama e!

Ombalemba lembalemba

Ombale! Ombale!

Partager zanamalala

Commenter zanamalala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite