4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zakaranda - Lolo sy tariny

hafahafa oa ny tontolon’izy iny

zakaranda mipoapoaka

fofon-tany mando no mba tiany

rehefa volan’oktobra



orana mitendry ny fanintso

no mba hira tiany indrindra

ilay masoandro mody hamonjy ampitso

no cinema-ny takariva



izy tsy nanao cahier de souvenir

ilay alefa mandehandeha

tsy nanangona sarina mpihira

atao peta-drindrina



mampatahotra azy ny bal amin’ny alina

tabataba matimaty jiro

mampanofy ratsy nifinofy adala

naraina aza tsy hadino



rojo volafotsy tefy karana

tazako eny an-tratrany

io  no nanome ahy hazavana

nanoro ny anarany



lasa bitsibitsiko isan’andro

rehefa izahay mba mifanena

lasa hirahirako atoandro

nofiko hadiva haraina



samy mba nanohy ny eritreriny any

ny azy anie tsy fantatro

fa ny ahy niova iray ihany

asa izay raha tsapany



hafahafa oa ny tontolon’izy iny

zakaranda mipoapoaka

fofon-tany mando lasa tiako

rehefa volan’oktobra!!  (x3)

Partager zakaranda

Commenter zakaranda

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy tariny