4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zakaiosy - TANA GOSPEL CHOIR

Tadidiko tsara tantara taloha ny amin’i Zakaiosy eh!

Mpanankarena, mpamory hetra, tena fetsifetsy eh!

Nalaza ratsy tamin’ny mpiara-belona tao an-tanàna

Fa havanana tsara raha resa-bola sy fanambakana



Indray andro nandalo an’ny Jeriko Jesosy Tompo oh!

Handeha hitondra vaovao mahafaly ho an’ireo mpanompo

Roso any anaty vahoaka maro Zakaiosy kely eh!

T’ambony aviavy izy fa te hijery eh!



Ny Tompo niantso: “Midina faingana ety ambany,

Tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao anie aho androany

Anio no hananarako anao ilay ondriko izay nania»

Fa fandalovana ihany ity tany ity



Mailaka ery Zakaiosy hampandroso an’ity vahiny

Poa toy izay dia nilaozany ny hazo nilingirany

Nimenomenona ny hafa izay sendra ny lalany

Lehilahy mahery io hiantrano amin’ny olo efa halany

Niova tokoa ary Zakaiosy ka sahy niteny

Ny harenan’ny hafa nalaiko honerako avo efatra heny

Indro ny antsasam-pananako omeko ny malahelo

Hafoiko daholo e ireny eh!



Ny Tompo namaly am-pitsikiana sy ampahendrena:

“Ho tonga amin’ity trano ity anio ny famonjena

Zanak’i Abrahama koa no anarany”

Izay no fandehan’ny tantara



Moa hampiova ny fonao tokoa ve izany hira izany?

Sa raisinao hoe hira fe hira eny fotsiny ihany

Tandremo sakaiza fa mandalo ihany izao tontolo izao

Indro ny Tompo efa ela no niantsoantso anao!



Mandiniha eh! Antsoiny ianao

Mibebaha eh! Ho zanany ianao

Miandry anao foana e ny Tompo

Partager zakaiosy

Commenter zakaiosy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANA GOSPEL CHOIR