4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zaho niova kosa - LOIC

2. Zaho niova kosa
Dada o ! Neny o !
noheveriko fa tsy tianareo zà
Noraràna dia nosaziana,
nobedesina raha varimbariana
« Mingitrika lava tsy mahay ! »,
voakapoka tena nahamay,

Izao nidongy taminareo,
tsy maintsy miankanjo tsara be.
Raha kiraro maosimaosy,
zaho tsy hanao ividano vaovao
Hoy i Neny hoe tsy manam-bola,
i dada nisafo ny lohany sola
Zaho tsy maintsy mipaozipaozy
mba manaraka lamaody.

(Refrain)
Dada o, ry Neny tiako !
Hadinoy ny taloha zaho niova kosa e !
Zanakareo aho, tiako ianareo
Disodiso kely fa aza tsaraina amin’ireny.
Dada o, ry Neny tiako !
Hadinoy ny taloha zaho niova kosa e !
Zanakareo aho, tiako ianareo
Disodiso kely fa aza tsaraina amin’ireny.

Mafy loha aokizany aho ,
namalivaly Raiamandreny,
Tsy hay tenenina sy hanarina, nandreraka anareo,
Bedy lava tsy mba fay,
tontakely tia rairay,
Tsy tan-dalàna tsy azo fefena,
mpangala-mofo teny an-tsena,
Ny kodiaran’ny fiaran’ny Raymond be,
nolerako fantsika dia crevé !
Ny échappement an’i Ngah Bôna,
notsetsenako ovy dia niraondraona !
Ny café an’i Dadabe,
nodobafako sira dia lasa salé

Duo
Dada o, ry Neny tiako !
Hadinoy ny taloha zaho niova kosa e !
Zanakareo aho, tiako ianareo
Disodiso kely fa aza tsaraina amin’ireny.

Dada o, ry Neny tiako !
Hadinoy ny taloha zaho niova kosa e !
Zanakareo aho, tiako ianareo
Disodiso kely fa aza tsaraina amin’ireny.

(Miakatra Duo)
Dada o, ry Neny tiako !
Hadinoy ny taloha zaho niova kosa e !
Zanakareo aho, tiako ianareo
Disodiso kely fa aza tsaraina amin’ireny.
(Solo)
Dada o, ry Neny tiako !
Hadinoy ny taloha zaho niova kosa e !
Zanakareo aho, tiako ianareo
Disodiso kely fa aza tsaraina amin’ireny.

Partager zaho niova kosa

Commenter zaho niova kosa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LOIC