4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiainana izanany - Vohangy

ny saiko adala,tsy mety mino (2 fois)
fa tsy ho hita intsony ianao
feno alahelo,voton-dranomaso
niaina izao ora farany izao
na tsy hino aho,na tsy hiaiky
tsy maintsy aleha izao lalana izao
izany ihany anie no hanan-kery
hifarana eo ny tantaram-piainanao
miverina ato an-tsaina
ireo adiady izay natao
mitaraindraina ilay mozikanao
miverena hoy aho,raha mbola azo atao
faona,babangaona ny toerana
satriko ihany,mbola ho eto ianao
nefa indrisy ts'isy intsony azo atao
mino aho anefa,fa any andro iray
izaho sy ianao mbola hifankahita indray
marina fa hoe,efa voasoratra izao
vahiny isika mandalo dia iazy
mbola hody ho vovon-tany
hanaraka azy ihany
tsy azo hidifiana mantsy
fiainana izany (2 fois)
vohangy

Partager fiainana izanany

Commenter fiainana izanany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vohangy