4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsofy rano - Vetson'I Fianar

Misaotsa roa Andrianañahary e,

Nañnome anay an’ireo Ray amin-dReny,

Reo e ro nañabe sy nañolokolo

Namindra aiña eko naha-olo.

Tsofy rano reo! Tahionao ho soa ho tsara

Ny diany tsinjovy

Tsa ho totoitsa fa ho soa fiafara.

Ireo ro nampisotro rano tsa nahakofiña;

Namaham-bare eko tsa nahakenda.

Niaritsa ny maharare taminay ’reo;

Nifoha maraiña, tsa nahalala taraina.



Nifofotsa tokoa ’reo ko nifankatea,

Niezaka nifañasoa, nifandefitsa.

Izao è ro lova natolony ho anay e!

Mba ho soa fototsa ny ho avy omañinay.



Vana maimaiña i Baba, efa añ’an-tamboho;

I Neny amin’ny nahandro sy ny "velompo".

Tsa nisy dika laza fa vita soa izay e!

Ny hahasoa anay ro niaretany "mahamay".

Partager tsofy rano

Commenter tsofy rano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vetson'I Fianar