4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vorona - BARIJAONA

Vorona o! mba mivilia hitondra bitsika any

Vorona o! harivariva an-tanin’olona aho

Ampitandrano(x2) re! no misy anay

Jereo fa vitsika momba kitay

K’ity manafatra anao



Vorona o! mba hivilio ilay akaniko any

Vorona o! hatopatopan-dranomasina izy izay

Jereo fa nosy misaritsarin-tongotra hankavia

Tsy takatr’antso ka e! mba vimbino

Ity teny fohy hoe tsy adino



Tsy ditrany hono hoe no nandaozany ny akany maminy iny

Tsy antery anefa fa nafaitra loatra ilay fitenin’ny havany iny

Tsy tantiny tokoa ka notinafiny famoizana ny ela

Tsy vato anie ny fo f’injao mitepo ihany vonona hifamela

Partager vorona

Commenter vorona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite