4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vorom-be tsara dia - Erick Manana

Vorom-be tsara dia

Miloko fotsy,mena, maitso iry!

Ampindramo izany elatrao aho

Hisidinako e!



Fa any ambadimbadika any

Misy fo iray, izay mitomany

Sasa-miandry

Ka miangavy anao aho vorona ô!



Aleo aho mba hiantsampy

Fa ny alaheloko tsy tanty

Ka ho ento aho mba hamonjy ny aiko

Vorona ô!



Ampy izay ny fiaretana ô!

Aleo aho andeha

Na tsisy entana ô!

Fa rehefa tonga akaikiny any aho

Dia ho sambatra e!

Partager vorom-be tsara dia

Commenter vorom-be tsara dia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite