4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vonona - NARY ARTHUR

Ny alaheloko mazana dia niantefa taminao

Sy mahatsiaro iny lalana iny

Mitamberina aminy ao reny tsiky sy tomany

Nefa hozakaiko mora ihany

Aoka anefa tsy handalo faharesana ny mangina

Satria efa ampy ahy

Teny maro zay nandratra ny foko mba nitia

Tamin’iny lalana iny



Tsy inona tsy akory

Aoka hangina hatreo fa mankararirary

Mandratra fo

Tsy ho sainiko intsony

Aoka hivalona tanteraka ny momba an’iny



Lalana efa nofidy na ho mamy na hangidy

Tsy hanenenako any aoriana

Na ho ratsy na ho tsara ho zakaiko fa anjara

Hotsenaiko am-pitsikiana

Efa tsapako ny fandrika handratra ny fiainako

Ry ilay feno fahasahiana

Soa fa ampy anefa ny heriko

Handravana izay rehetra mety hitondra fahoriana



Tsy inona tsy akory

Aoka hangina hatreo fa mankararirary

Mandratra fo

Tsy ho sainiko intsony

Aoka hivalona tanteraka ny momba an’iny



Lalana efa nofidy na ho mamy na hangidy

Tsy hanenenako any aoriana

Na ho ratsy na ho tsara ho zakaiko fa anjara

Hotsenaiko am-pitsikiana

Efa tsapako ny fandrika handratra ny fiainako

Ry ilay feno fahasahiana

Soa fa ampy anefa ny heriko

Handravana izay rehetra mety hitondra fahoriana



Tsy inona tsy akory

Aoka hangina hatreo fa mankararirary

Mandratra fo

Tsy ho sainiko intsony

Aoka hivalona tanteraka ny momba an’iny

Partager vonona

Commenter vonona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARY ARTHUR