4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vazon'ny lavitra - BARIJAONA

Tia anie, tiako ho’aho, rony masom-panahiko leitsy

Mahatsiaro ireo andro taloha, ‘zay nivimbina lefo-maranitra

Nahatrobaka fo manirery ô



Banjinin’ny ory izy ireny, ary tairiny fa tsy mifoha

Ka kotsan’ny fahatsiarovana

Ireto maso ankiroa izay mijery



Tia anie, e e  eny tiako ho ’aho (2), reo toerana maro naleha ho’aho

Dia mba vangivangio sombinaina, fa lavitr’ilay elanelana

Ary izaho, mbola tsy afa-mankany



Tia anie, tiako ho’aho; tena vazon’ny lavitr’izao

Kalokalon’ny manin-te hody, hirahiran’ny tofoka koa

Ka manisa ireo andro tavela



Ny sioka nitobaka very, no tiako hameno ny saina

Ny fanadinoina tsy misy

Raha mbola tany koa ny tany



Tia anie, e e eny tiako ô (2), ka na vahona izao na tangena

Fitsapana ka nisy isainana, hanadihadiana ny lasa

Hanembonana ny eny an-tanàna

Partager vazon'ny lavitra

Commenter vazon'ny lavitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite