4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vatolahy - Mahaleo

Ho fahatsiarovana ny ady taloha
vatolahy no natsangana ambony loha
mijoro ary miandrandra lanitra
raraho tantely mba ho manitra

Naharesy an-ady ireo olona
nampandry tany sy ny fanjakana
najoro ny vatolahy ho masina
hotadidin'ireo ho taranaka

Ref. 2 fois
Vizana ve ialahy tadidio
ny ady tsy ho vita anio
fa mbola misy foana any ho any
Raha mbola tany ihany ny tany

Miova loko tokoa rafahavalo
taloha na mosary na hoe dahalo
ankehitriny toa vola no iriana
ny olona mitondra hira fijaliana

Aza mba ariana ireo namana
fa mihasarotra anie ny làlana
mba ho vatolampin'ny fiarahana
hotadidin'ireo ho taranaka

Ref.   2fois

Partager vatolahy

Commenter vatolahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite