4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vaovao mahafaly - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Maro ireo maniry hanam-piainana mirindra

Ho voafehy tsy hifindrafindra

Kanefa miala maina fa tsisy antenaina

Izay rehetra azo toa halazo

Ka manara-po amin’ny toetra tsy mahasoa

Hanariana dia fa ho aiza moa ?

Kanefa nisy ihany, nahita fitsaharana

Ny zioga izay lanjainy toa maivana



Andeha lazao ireo namanao

Fa misy vaovao, fifaliana ho ahy sy ianao

Dia Jesoa ilay namoy ny ainy ho fanavotana

Izy no lalana sy fiainana ary fahamarinana



Maro ireo maniry hanam-piainana mirindra

Koa andeha torio ilay tsara indrindra

Dia Jesoa Mpiandry tsara ilay efa nanambara

Fa Izy no homba anao hatramin’izao



Dia Jesoa, vaovao mahafaly ho ahy sy ho anao.

Partager vaovao mahafaly

Commenter vaovao mahafaly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite