4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vaovao mahafaly - Vonjy

Maro ireo maniry hanam-piainana mirindra

Ho voafehy tsy mifindrafindra

Kanefa miala maina fa tsisy antenaina

Izay rehetra azo toa malazo

Ka manara-po amin’ny toetra tsy mahasoa

Hanariana dia fa ho aiza moa ?

Kanefa nisy ihany, nahita fitsaharana

Ny zioga izay lanjainy toa maivana



Andeha ilazao ireo namanao

Fa misy vaovao, fifaliana ho ahy sy ianao

Dia Jesosy ilay namoy ny ainy ho fanavotana

Izy no lalana sy fiainana ary fahamarinana



Maro ireo maniry hanam-piainana mirindra

Koa andeha torio ilay tsara indrindra

I Jesoa Mpiandry tsara no efa nanambara

Fa Izy no homba anao hatramin’izao

Partager vaovao mahafaly

Commenter vaovao mahafaly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vonjy